Dossier

Banky BNI Hanampy ny mpanjifa amin’ny fiatrehana ny fety


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Herinandro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Mba hahafahana mamalifaly ny fianakaviana ary dia hanampy ny mpanjifa amin’ny fiatrehana izany ny banky BNI.

 

 

 

 Lohalaharana amin’ireny ireo mpiasam-panjakana sy ireo mikarama isam-bolana, eny fa na dia ireo tsy manana kaonty ao amin’ity banky iray ity aza. Efa nanomboka ny 3 desambra lasa teo ny fahafahana misitraka ny tolotra fampisamboram-bola omen’ny BNI izay hifarana ny 31 janoary taona 2019. Azo aloa ao anatin’ny enina ka hatramin’ny 60 volana ny vola nindramina,  hoy Atoa Santatra Andriamparany, tompon’andraikitra ara-barotra eo anivon’ity banky iray ity. Naidina ho 1 % kosa ny tahan’ny zana-bola alain’izy ireo. Mbola afaka mandray anjara amin’ny tolotra vaovao ireo  nindram-bola tamin’ny fampidirana mpianatra na tsy voafehiny manontolo aza izany.  Hisy ny fisarihana ho an’ireo nandray anjara tamin’ny tolotra amin’ny fifaranan’ny hetsika izay mety hahazoana fivahinianana mitaingina fiaramanidina ho an’olon-droa any amin’ny toerana mbola tsy voafaritra.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT