Efa nigadona teto Madagasikara niaraka tamin’ny filohan’ny BAD, Akinwumi Adesina tamin’ny alahady lasa teo ireo vondron’ny mpamatsy vola afrikanina ho an’ny fampandrosoana.
Tonga eto izy ireo hanatanteraka ny fivoriana hamaritana ny tetibola entina hanampiana ny firenena Afrikanina andiany faha-15 na ny FAD15. Ankoatra izay, nitsidika ireo ivontoerana eto an-drenivohitra novatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola omaly ny solontenan’izy ireo eto Madagasikara niaraka tamin’ireo mpikambana anatin’ny BAD ary ireo solontenan’ny vondron’ny mpamatsy vola afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Tetsy amin’ny ivontoerana fakana sy fanomezan-dran’ny HJRA sy ny fampiofanana arak’asa ireo sembana no nanombohana ny fitsidihana. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2015 no notokanan’ny BAD ny fotodrafitrasa ho an’ny fanomezana sy fakana ra etsy amin’ny HJRA. Famatsiam-bola natao hitsinjovana ny ain’ireo Malagasy ary hitondrana fivoarana hatrany eo amin’ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara. Tsy mena-mitahy amin’ny any ampita izany ankehitriny na eo amin’ny lafiny fikarohana na ny ara-pitaovana ary maharaka tsara ihany koa ny filan’ny Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.