“Izay firenena marefo sy tsy mahavita manarin-tena dia tsy tafiditra ao anatin`ny fikambanamben`ireo firenena te handroso vatsian`ny BAD saingy tsy anisan`izany i Madagasikara”, hoy ny filohan`ny Banky Afrikanina ho an`ny Fampandrosoana (BAD),
Akinwuni Adesina, teo anivon`ny fivoriana faharoa hanapahana ny famatsiam-bola ao anatin`ny tahirim-bola afrikanina ho an`ny fampandrosoana (FAD) andiany faha-15, omaly. Hohatsaraina ny loharanom-bola ataon`ny BAD amin`ireo firenena afrikanina ka hakarina avo roa heny ny famatsiana ho an`i Madagasikara. Tsy mbola nisy tarehimarika naroso omaly tamin`ity fivoriana faharoa ity nefa kosa azo vinavinaina ny tanjona ka nangatahana fanohanana amin`ity seha-pamatsiana afrikanina ity. Tonga nanokatra ny fivorian`ny FAD ny filoha Rajoelina ka nilaza fa seha-pamokarana telo hoentina hanaingana ny fanatanterahana ny velirano ny ady amin`ny hanoanana, ny famatsiana herinaratra ary ny fananganana orinasa. Tafiditra ao ny fampitomboana avo roa na telo heny ny famokarana herinaratra, ny fanohizana ireo ezaka efa vita amin`ny fanajariana ny lemak`i Vamangoky ka tanjona ny fampitomboana ny velaran-tany hatramin`ny 70 000ha. Efa tafapetraka ireo lakandrano ary laharam-pahamehana ireo. Ampitomboina ireo seha-pihariana isaky ny tokantrano hanakarana ny fahaleovantena ara-tsakafo hahafahana mandresy ny fahantrana. Manana ny ilaina rehetra i Madagasikara entina hampiroboroboana ny famokarana, hoy ny filoha ka tsy sarotra ny hananganana orinasa goavana isam-paritra. Maro ireo entana hafarana nefa manana akora rehetra. Mandritra ny sivoriana fahatelon`ny FAD atao any Cote d’Ivoire amin`ity taona ity no fantatra ny sandany hamatsiana ny BAD ho antsika hanatanterahana ireo vina ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.