Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.
Tanjona ny fampahafantarana ny andraikitra sahanin’izy ireo ary hampivondronana ihany koa ireo mpisehatra rehetra eto Madagasikara. Fihaonamben’ny Injeniera ity nampitondraina ny lohahevitra hoe « Land Surveyor’s Week » ity izay ahitana ny Sendikan’ny mpandraharaha ny asa vaventy, ny fianarana ambony eny amin’ny Polyteknika, ny Lisea Teknika any Mantasoa ... Mizara 3 mazava tsara ny fampirantiana. Omaly dia natokana nanaovana adihevitra amina lohahevitra maro. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo teknolojia vaovao fampiasa amin’ny asa topografika. Ankoatr’izay dia hisy ny fampahalalana sy ny fampironana ny mpianatra ary ny tanora Malagasy amin’ny asan’ny topografy izay tena mbola vitsy eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.