Dossier

Asa fampandrosoana ny firenena Azo tsapain-tanana tamin’ny fitondrana Ravalomanana


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Salama sy marin-toerana ny toekarena teto Madagasikara raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.

 

 

 

 Maro ny tarehimarika navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena naneho ny fahatanjahana ara-toekaren’ny Malagasy tamin’ny fitondran’ny Filoha Ravalomanana. Tafakatra 5,474 miliara dolara ny harinkarena faobe vao nitondra herintaona fotsiny izy satria 4 miliara teo talohan’ny nadraisany ny fahefana. Efa nihena antsasany ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza tamin’izany fotoana saingy taorian’ny krizy dia tafakatra 50% indray. Nisy ny fitomboan’ny olona 2.9%, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ihany, saingy ny fitotongan’ny vola miditra isam-batan’olona dia hita taratra be tamin’ny fiatombohan’ny taona 2010 mihoatra ny tamin’ny 2004. Anisan’ny nahatonga ny fampandrosoana tamin’izany koa ny lafiny filaminana izay tsy azo oharina amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy mba nahenoana fanararaotana tahaka ny famarotana ny hazo sarobidy sy ny andramena nampalaza ny tetezamita ihany koa, hany ka nandroso hatrany ny toekarena. Teo amin’ny lafiny asa dia nampiroborobo ny fampananana asa ny filoha tamin’izany tamin’ny alalan’ny fampandrosoana ny orinasa Malagasy, teo ihany koa ny tetikasa AGOA. 15%  be izao ny tahan’ny tsy fananan’asa (taux de chômage) ankehitriny noho ny fahapotehan’ny orinasa Malagasy ary ireo tanora no maro an’isa,  3,5% ho an’ireo latsaky 25 taona,  araka ny tatitry ny birao maneran-tany ho an’ny asa (B.I.T). Amin’izao fotoana dia nanambara ny Banky Iraisam-pirenena fa ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha ary miaina anaty tsy fahampiana, 45 % tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ny 11% ihany no mandoa hetra ara-dalàna, 5% no mba afaka mindram-bola amin’ireny banky lehibe ireny ary 90% dia miaina anaty sehatra tsy ara-dalàna avokoa. Efa sehatra voakasika ary efa nahitam-pivoarana lehibe anefa ireny tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Noho ny ezaka nisy sy vita tamin’izany no nisafidianana sy nahazoan’i Madagasikara hisitraka ny fanampiana avy amin’ny Millenium challenge Account (MCA) tamin’ny taona 2005. Taorian’izany dia lasa firenena modely mihitsy i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny lafiny fampandrosoana sy ny fivoaran’ny harinkarena tao anatin’ny fotoana fohy.

 

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT