Dossier

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny


  • Talata 23 Jolay 2019

Nahitana fiakarany 50% ny vidin'ny arina fandrehitra eto an-drenivohitra tato anatin’ny 2 volana. Tafakatra 23 000 ka hatramin’ny 30 000 Ariary ny vidiny amin’izao fotoana raha manodidina ny 17 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar teo aloha.

 

 Ny fanararaotan’ireo mpandraharaha sy ny fahalanian’ny hazo azo avadika ho arina fandrehitra no mahatonga ny fiakaran’ny vidiny raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Manolona izany dia hisy ny tolo-dalàna vaovao hitsinjovana manokana io lala-pihariana io havoakan’ny minisitera io afaka fotoana vitsy. Misafidy hatrany hampiasa ny arina fandrehitra mantsy ny ankamaroan’ny Malagasy na dia notsipihin’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana mazava aza fa tsy azo avadika ho arina fandrehitra mihitsy ireo hazo anaty ala voajanahary sy ireo tafiditra anaty faritra arovana izay miteraka fidinan’ny famokarana. Ny 29 janoary lasa teo dia nisy mihitsy ny naoty navoakan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra fa tsy azo atao ny mitrandraka, ny mitatitra ary ny manondrana ireo ala. Nanomboka tamin’io fotoana io no nanararaotra nampiakatra ny vidin’ny saribao ireo mpandraharaha. Tsiahivina fa efa misy ireo hazo voasokajy natokana havadika ho arina raha ny voalazan’ny lalàna ary tafiditra ao anatin’izay ny kininina, ny kesika ary eo ihany koa ireo karazana hazo novolena manokana. Efa tsikaritra ho miha ritra anefa ireo karazana hazo ireo nanomboka ny taona 2016 ka nahatonga ny minisiteran’ny tontolo iainana handray fepetra mihitsy ny amin’ny fandrarana ny fanondranana ny saribao mankany ivelany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT