Dossier

Antontan’isa eto Madagasikara « Banga ny resaka sosialy, kolikoly, tsy fandriampahalemana »


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Ny tolo-dalàna mety dia ny mandrindra ny atao hoe « système statistique régional », izany hoe ingaina any ifotony ny fanisana, hoy ny manampahaizana momba ny antontan’isa, Ndremitsara Tarzan, raha naneho ny heviny mikasika ny tolo-dalàna tokony hatolotr’ireo ho depiote mikasika ny resaka fanisam-bahoaka.

 

 

Tsy maintsy apetraka anatin’ny lalàna io ary mila didy fampiharana. Ilain’ny depiote ny manara-maso an’io, indrindra ireo fanisana miainga avy any amin’ny kaominina, mandalo distrika ary miafara any amin’ny faritra, hoy izy. Mba tsy hijanona any ambony fotsiny fa hirindra avy any ifotony mihitsy ilay fomba fanisana. Izay no isan’ny tsy ampy eto Madagasikara noho izy tany midadasika. Finiavana politika talohan’ny taona 2016 tany ho any no tsy nisy nahatonga ny tsy fahatomombanana. Ny filohan’ny rafitra rehetra mihitsy no tokony handray an-tanana izay anefa, hoy izy, ary isan’izany ny filoham-pirenena. Isan’ny banga, ohatra, ny resaka fananana antontan’isa amin’ny resaka kolikoly, sosialy, tsy fandriampahalemana kanefa mila refesina ireny ezaka ireny mba hisian’ny fitantanana mangarahara na “bonne gouvernance” sy hananana ny antsoina hoe “sécurité statistique”. Tokony isaky ny 10 taona ny fanisambahoaka raha resaka fifindra-monina ary isaky ny 5 taona raha resaka toekarena. Izay no fenitra iraisampirenena. Mila hampidirina ao anaty tetibolam-panjakana izany ary mila ny fifankatiavan’ny Malagasy hanome ny vaovao marina momba ny fanisana hametrahana fitoniana politika, hoy hatrany ity manampahaizana ity. Ho an’ny mpahay tantara, Hemerson Andrianetrazafy, lesoka lehibe tsy nahafahana nifehy ny fivezivezin’ny mponina ary nety ho nitarika tsikelikely amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ankehitriny koa ny fanafoanana ny karatra isan-dahy tamin’ny repoblika faharoa.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT