Manampahaizana 2 avy any ivelany ao amin’ny Conférence Permanente des Chambres Consulaires Africaines et Francophones (CPCCAF) no tonga nanome fampiofanana
ho an’ny filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria (CCI) sy ireo Tale Jeneraly sy mpanatanteraka nandritra ny atrikasa 3 andro izay nifarana tamin’ny sabotsy 18 mey tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Ny fametrahana sy ny fifehezana ireo fitaovana 2 manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no nezahina nampitaina. Anisan’izany ny « cartographie des activités économiques » izay ahafahan’ny CCI sy ireo mpampiasa vola avy any ivelany mahafantatra ny fandraharahana misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fahalalana ny vokatra mampiavaka sy ny fandraharahana misy any amin’ny faritra. Ny fitaovana faharoa dia ny « baromètre d’accompagnement des entreprises » izay hifehezana ny fifandraisana sy ny filàna misy amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME). Ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra eto Madagasikara (FCCIM) miaraka amin’ireo CCI miisa 24 no hanelanelana ny amin’ny fandraharahana eto an-toerana sy ny any ivelany mba hitondra fampandrosoana ara-toekarena. Tsiahivina fa niainga tamin’ny fanadihadiana nataon’ny CPCCAF tamin’ireo firenena Afrikanina no nahitana ny filàn’ny fiofanana ka tamin’ny 2 taona lasa no nanaovana ny an’i Madagasikara. Noho ireo fitaovana ireo dia efa afaka mampitaha ny fandraharahana ara-toekarena ataony ny firenena Malagasy mihoatra amin’ny firenena hafa. Tombony ihany koa ny ahafahana mitaratra ny filan’ireo PME sy ny fifehezana ny antontam-baovao rehetra misy mahakasika ny orinasa sy ny toekarena mihitsy aza.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.