Dossier

ANTANIMORA SY TSIAFAHY Avo telo heny amin’ny zakan’ny fotodrafitrasa ny voafonja


  • Alarobia 06 Martsa 2019

300% na avo telo heny amin’ny natokana ho zakan’ny fotodrafitrasa tany am-boalohany ny isan’ny manefa sazy sy miandry fitsarana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora. Raha tokony ho 300 no vinavina zakan’ny toeram-panarenana eny Tsiafahy, efa mihoatra ny 900 izany ankehitriny.

 

 

 

 Raha arivo no natokana hofonjaina eny Antanimora, efa tsy latsaky 3.000 izy ireo amin’izao, araka ny antontanisa ofisialy navoakan’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona. Amin’ireo etsy Antanimora, ny 85% dia lehilahy avokoa, 5% ny tsy ampy taona manefa sazy eny ary ny 10% Antanimora no vehivavy. Mihoatra ny 20 ireo zazakely tsy afaka misaraka amin’ny reniny no efa miaina ao am-ponja sahady. Ireo ankizy efa lehibe zanaka voafonja kosa dia tezain-dry maseran’ny Md Maurice eny Avaradoha. Ireo fonjan’ny renivohitra ireo no mitana gadra betsaka indrindra manoloana ny haben’ny fotodrafitrasa, ho an’i Madagasikara. Ankoatra an’Antanimora sy Tsiafahy, efa nitondran’ireo rafitra misahana ny zon’olombelona fanakianana avokoa ny salanisa tafahoatra isaky ny fonja. Mahatratra 200% mantsy izany manerana ny Nosy. Avo roa heny amin’ny tokony ho isan’ny voafonja zakan’ny fotodrafitrasa  ny isan’ireo arenina amin’ny trano famonjana 82 eto Madagasikara. Mitoetra ho olana hatrany, araka ny tatitr’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona ny fitambaran’ny meloka amin’ireo miandry fitsarana. Ankoatra izay ihany koa, mitarazoka ela loatra ny fiandrasana fitsarana ho an’ireo ampidirina am-ponja vonjimaika. Tsy azo lavina fa olo-meloka ny akamaroan’izy ireo, saingy tsy izay rehetra tafiditra am-ponja akory dia meloka avokoa ka mizaka ny «afobe» amin’ny endriny maro anatin’ireny toeram-panarenana ireny tahaka ny sakafo tsizarizary, fatoriana mifanesika, tsy fahampian’ny fahadiovana, araka ny  feo mandeha tantarain’ireo efa tafavoaka. Vao iray volana izay ny fifamindrana valan’aretina kitrotro tamin’ireo voafonja tao Morondava noho ny fifampikasohana vokatry ny hateren’ny toerana ka nankarary gadra maherin’ny 50 ary nahafatesana voafonja iray.

Haja Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT