Dossier

Anôsy, Androy, Atsimo Atsinanana Zanakazo 20 tapitrisa handrakofana 20ha


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Ny alahady 19 janoary izao no hanatanterahana ny fambolen-kazo faobe manerana ny Nosy, ka tsy ho diso anjara amin’izany ny faritra Anôsy, Androy, Atsimo Atsinanana.

 

Veliranon’ny filoha Rajoelina rahateo ny handrakotra ala maitso an’i Madagasikara. Manana toerana famokarana zanakazo ny sampandraharaha iraisam-paritry ny tontolo iaianana sy ny fampandrosoana maharitra (DIREDD) any Androy, Anosy ary Atsimo Atsinanana, toy ny ao Fanjahira kaominina ambanivohitr’i Ifarantsa any amin’ny faritra Anosy. Zanakazo hatrany amin’ny 10 tapitrisa no azo vokarina ao, ka eo amin’ny 3 tapitrisa eo no efa vonona amin’izao fotoana izao, hoy ny Talen’ny DIREDD Haingosoa Hortensia. Tsy ao ihany fa misy ihany koa any Androy izay kendrena hamokatra 5 tapitrisa ary tahaka izany ihany koa ny any Atsimo Atsinanana. Raha tratra ny 10 tapitrisa ao Fanjahira sy ny 5 tapitrisa avy any Atsimo Atsinanana sy Androy, dia tratra ny 20 tapitrisa ho an’ny 20 000Ha. Tanjon’ny filoha ny 40 000Ha isan-taona handrakofana an’i Madagasikara. Izahay eto amin’ny DIREDD Anosy dia efa mahavita ny antsasak’izay raha izao zava-misy izao, fa mila fotoana kely fotsiny hanaovana azy dia tratra ny tanjona, hoy io tompon’andraikitra io. Mihena hatrany amin’ny 50% ny tahan’ny doro tanety, tato anatin’ny fotoana nitantanako. Ny afo fahita andavanandro dia tsy fahamaizana ala fa vokatry ny fandiovana bozaka, hoy Rtoa Haingosoa Hortensia.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT