Miankina amin’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatra fividianana sy fivarotana vola vahiny (MID) ny fiakarana na fidinan’ny sandam-bola eto Madagasikara.
Raha toa ka miakatra ny sandam-bola vahiny dia betsaka izany no mangataka azy ao amin’io MID io. Amin’izao fotoana manakaiky faran’ny taona izao anefa dia hita ho betsaka hatrany ny manafatra sy mividy entana avy any ivelany ka mahatonga ny fitombon’ny filàna vola vahiny ary miteraka fiakaran’ny sandan’izany. Rehefa izay dia tsy maintsy hihena ny sandan’ny Ariary. Efa nanambara koa moa ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Andriamatoa Alain Herve Rasolofondraibe tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tamin’ny farany fa ampoizina ny fiakaran’ny sandan’ny vola vahiny noho ny fiakaran’ny fanondranana entana. Tsiahivina fa ny fifanakalozana ataon’i Madagasikara amin’ny any ivelany dia saika atao amin’ny vola vahiny avokoa, indrindra ny dolara. Noho izany dia manana anjara toerana lehibe amin’izao fotoana izao ny sehatra famokarana eto an-toerana mba hampitoviana lanja ny fanafarana sy ny fanondranana. Raha tsy izay mantsy dia ho ambony hatrany ny vidin’ireo vola vahiny ireo ary hitotongana foana ny sandan’ny Ariary, indrindra ny andron’ny faran’ny taona tahaka izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.