Nampanantena ny depiote Jean Michel Henri fa tsy maintsy ho vita ny tetikasa rano fisotro madio ao amin'ny distrikan’Ambovombe amin'ny taona 2020.
Efa manomboka ny asa fanatanterahana fotodrafitrasa amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina sy masoandro. Nijery ifotony ny momba ny fanamboarana ny fitarihan-drano miainga avy ao amin'ny reniranon'i Mandrare sy Amboasary Atsimo. Anisan'ny mampijaly ny mponina nandritra ny taona maro tao amin'io distrika Ambovombe io ny tsy fisian'ny rano fisotro madio, indrindra rehefa main-tany. Voatery mandeha an-tongotra lavitra ihany koa ny mponina ao Ambovombe vao afaka mitsabo tena noho ny tsy fisian'ny hopitaly ka nilaza ity solombavambahoaka ity fa tsy maintsy hojerena izay fahasahiran'ny mponina amin'ny lafiny fahasalamana. Tsy zakan'ny fahefa-mividin'ny mponina ihany koa ny vola 15 000 ariary ampandoavina azy ireo. Tombony ho an'ny vahoakan'Ambovombe no nahalany azy ho kestora voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena, hoy i Jean Michel Henri, satria afaka mampatsiahy matetika ireo fahefana mpanatanteraka izay amin'ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.