Dossier

Angovo azo havaozina Vahaolana amin’ny andro ratsy


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Tsy maintsy miroso amin’ny fiampitana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina i Madagasikara.

 

 

Tsy vitan’ny hoe hahafahana mikajy ny tontolo iainana fotsiny mantsy izany fa iatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny andro ratsy misy eto amin’ny firenena. Tsy azo hihodivirana intsony fa tsy maintsy mitodika amin’ny angovo azo havaozina ny firenena, hoy ny avy ao anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Hiantraika avy hatrany amin’ny toekarem-pirenena sy ny asa fiharian’ny isan-tokantrano ny ho fiampitana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina hoy ny Tale jeneralin’ny Ofisy Nasionalin’ny Tontolo iainana (ONE), Ampialahy Laurent . Manankarena rivotra, masoandro ary ny rano i Madagasikara, hoy izy ka tsy misy antony hisakana amin’ny fandrosoana amin’izao.  Izany no antony hanaovan’ny ministera ezaka hanodina ny fako. Eto Antananarivo, Toamasina ary Antsiranana aloha no iantsorohana.  Malalaka ity sehatra ity eto amin’ny firenena saingy mila tosika sy fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra ny mpamatsy vola. Maro amin’ireo tanora  Malagasy ihany koa ny efa  mahafehy sahady  ary liana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT