Dossier

Ambatolampy Nesorina ny talen’ny hetra fa nanao kolikoly


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tsy maintsy tohizana ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, indrindra ny eo amin’ny sehatra fampidiran-ketra, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny vola Randriamandranto Richard omaly.

 

 

 

 Rehefa misy ny tompon’andraikitra tsy manao arak’izay tokony ho izy dia tsy hamindrana fo fa miala avy hatrany, hoy ny tenany. Nisy mantsy tranga nampitaraina ny vahoakan’Ambatolampy afak’omaly ary tsy maintsy nidina tany am-potony mihitsy ireo tompon’andraikitra nijery ny zava-nisy. Tsikaritra tamin’izany fa nisy fanararaotana nataon’ny Talen’ny Ivonketra satria nampiakariny ny hetra aloan’ny olona ary tsy mitovy ny vola aloa sy ny rosia omeny. Hatreto anefa dia mbola tsy nisy mihitsy ny fampiakarana ny hetra ary tsy nisy ihany koa ny fampidirana hetra vaovao na ny fanovana ny firafitry ny hetra tao anatin’ny Lalanàn’ny Tetibola. Fanatsarana fomba fiasa foana hatreto no natao araka ny nambaran’ny minisitra.  Noroahina avy hatrany moa io tompon’andraikitra ny hetra any Ambatolampy io araka ny nambarany ary nohamafisiny fa tsy misy famindram-po ho an’ireo tompon’andraikitra ambony tratra manao kolikoly tahaka izany.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT