Ny “Alliance Vanille” dia niforona tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 21 septambra 2015 izay ivondronan’ny kaompania Air Austral, Air Madagascar, Air Mauritius ary Air Seychelles. Mikendry ny fanatsarana ny fomba fiasa eo amin'ny firenena misy azy avy ary miezaka ny hametraka ireo rafitra matanjaka eo amin'ireo kaompania ireo. Nisy ny fivoriana omaly zoma 15 jona 2018 tany Maorisy notanterahan’ireo mpitantana an’ireo kaompania ireo ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo anivon’io “Alliance vanille io”.
Nandritra ny fivoriana dia nanamafy ny fahavononany hiara-kiasa ao anatin'io sehatra io izy ireo mba hanatsarana hatrany ny fifandraisana amin'ireo samy nosy eo eto amin’ny Oseana Indiana. Tsiahivina fa ny fijerena manokana ny saran’ny fiaramanidina mba hahasarika hatrany ny mpandeha, ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ahafahana manitatra hatrany ny toerana ahafaha-misidina ary ny fanatsarana hatrany ny fiaramanidina sy ny seranana no tanjon’ny “Alliance vanilla”
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.