Dossier

Akora fanamboarana savony Hakarina 100% ny hetra alaina aminy


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2020 (PLF 2020),

 

 

 

 

 dia nakarina 100% ny tahan’ny haban-tseranana ho an’ireo manafatra ny akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana ny savony na ihany koa ny « bondillon ». 10% io taha io amin’izao fotoana dia lasa 20% anatin’ny PLF 2020 (takila faha 20). Fanampiana io sehatry ny orinasa mpanamboatra savony io no anton’ny nahatonga ny fitondram-panjakana nampiakatra io taha io raha ny voasoratra. Miady amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro ny fitondram-panjakana anefa tsy azo lavina fa hisy fiantraikany be amin’ny vidin-tsavony io fampiakarana io, satria maro ireo orinasa mpanao savony no manafatra avy any ivelany io « bondillon » io. Anisan’ny voa mafy amin’izany ireo vahoaka madinika izay manjifa ny vokatra azo avy aminy. Mazava ny lalana 2017/047 momba ny fampiroboroboroana ny indostria eto Madagasikara ( LDIM) izay mamaritra mazava tsara fa « raisina ho anisan’ny indostria ireo hetsika ara ekonomika manodina akora fototra na akora natoraly efa nahodina na tsia ahazoana vokatra manontolo na amin’ny ampahany ka amidy eo amin’ny tsena anatiny na any ivelany ». Manahy be ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity fa tsy fahazakana fifaninanana ara-barotra no anton’izao. Efa nisy tokoa mantsy fanapahan-kevitra fampiakarana ny tahan’ny fanafarana ity akora fototra ity izay avy amin’ny ANMCC teo aloha fa nihantona izany. Tsara homarihina fa ampiasaina any amin'ireo indostria mamokatra savony eo anivon'ny Comesa misy an’i Madagasikara io “bondillon” io Ka  0% ny haba, izany hoe tsy misy. Handalo eny anivon’ny antenimiera roa tonta ity volavolandalana ity (PLF 2020) ka heverina fa handinika ny mety ho vokany ireo olom-boafidy, indrindra fa ny solombavambahoaka.

 

Nangonin’i RTT

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT