Dossier

Air Madagascar Sahirana tanteraka


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Mampitaraina, mampikaikaika, mahatezitra olona maro ny zava-misy sy ny fomba fiasa eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.

 

 

 

 Maty any Frantsa indray omaly ilay fiaramanidina Airbus, izay efa nahabe resaka hatrizay, olana ara-teknika mazava ho azy. Fa etsy an-kilan’izay dia misy ihany koa ny tsy fahaizan’ny mpiasa sasany mikarakara ny mpandeha, misy ireo mangata-bola tsotra izao, ny entana misy mangalatra. Izany rehetra izany no mahatonga ny olona hitsikera mafy sy tsy hahatoky intsony ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Efa nanomboka niarin-doha anefa izy io tamin’ny taona 2008, nisokatra tamin’i Chine sy Eoropa ny orinasa. Efa nandalo teto Madagasikara ny tompon’andraikitry ny orinasa Amerikanina BOEING tamin’izany fotoana, ahafahana mampitombo ny fiaraha-miasa. Heverina fa anisan’ny antony lehibe nahatonga ny fahasahiranana ankehitriny ny fitodihana tamin’ny kaompania frantsay Air France, ka nividianana lafo dia lafo ireo AIRBUS efa antitra 2 izay sady mandany solika no be olana ka mampiato lava ny sidina. Tsy fantatra intsony na noho ny aferafera na tena tsy fahaizana mitantana fa dia nikorosofahana aloha ny orinasa. Fa nahoana tokoa moa no dia mitodika mandrakariva any amin’ny firenena 1 sy ireo mpandraharahany foana ny Malagasy na dia efa hita izao aza ny vokany ? Raha ampatsiahivina, nanao tahaka an’izao koa i Air Cameroun, ka rehefa maty ilay orinasa dia nanjakan’ny Air France tanteraka ny tsena any an-toerana ka niakatra avo roa heny ny saran’ny tapakila taty aoriana. Tahaka izany koa ve sanatria no tanjona eto Madagasikara ? Efa nisy ny fivarotana ny ampahany 49% amin’ny Air Madagascar tamin’ny Air Austral, izay marihina fa orinasa frantsay ihany koa. Fifanandrifian-javatra ve sa fanahy iniana natao mihitsy ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT