Taorian’ny torolalana iraisam-pirenena avy eo anivon’ny sampandraharaha eoropeanina misahana ny fifamoivoizana ana habakabaka (EASA),
dia nigadona teto Madagasikara tamin’ny 3 ora maraina ny alatsinainy teo ilay fiaramanidina Airbus A380 vao nofaina. Voatery nanofa fiaramanidina iray ny Air Madagascar hitaterana ireo mpandeha avy ao Parisy ho aty Madagasikara izay tokony ho niainga tamin’ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Raha tsiahivina, nalefa tany Frankfort any Alemana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar A340 sy Boeing 737 mba hanaovana fanaraha-maso teknika ny maoterany. Toromarika manokana avy amin’ ny EASA no nitaky izany. Efa niainga omaly alina ihany niverina any Parisy indray moa ity fiaramanidina ity ka nitondra ireo mpandeha tokony hihazo an’i Parisy ao anatiny indray. Fantatra kosa fa tokony hiala any Frankfort anio ny fiaramanidina nanaovana fizahana teknika saingy mbola hijanona ao Parisy aloha vao mankaty Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.