Sahirana ny Malagasy ary mirongatra ny fanaovana bizina eny amin’ny sisiny rehetra eny. Maro tokoa aloha ny tokantrano velomin’ireny afera maro atao etsy sy eroa ireny saingy ny olana dia tsy miantraika mivantana amin’ny toekarenan’ny firenena izany.
Zava-doza ary fahapotehana ara-toekarena aza no hita satria amin’ireny no mampirongatra ny sehatra tsy ara-dalàna sy ny fifaninanana tsy ara-drariny. Amin’ny maha tsy ara-dalàna azy izay dia tsy mampiditra vola amin’ny alalan’ny hetra amin’ny fanjakana ary tsy hita mazava ny lanja hoentiny amin’ny tontolon’ny fatra fampiasam-bola sy ny fanodinam-bola. Mirona amin’io bizina sy afera eny amin’ny sisiny io daholo anefa ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra ny eto an-drenivohitra, noho ny tsy fisian’ny asa. Ireny bizibizina ireny ihany koa moa no miteraka vola haingana ka mampirona ny maro amin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina eto amin’ny firenena izao. Mila politika mafy sy ezaka be ny ady amin’ny sehatra tsy ara-dalàna eto Madagasikara satria 93% be izao ny asa atao ao amin’ny sehatra tsy manara-dalàna eto amin’ny firenena. Manimba ny toekarena izany ary tsy ahatarafana mihitsy ny fampandrosoana ka ilaina jerena maika.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.