Lasa 20% sisa ny tahan’ny fanondranan’entan’ny firenena Sinoa mankany Amerika noho ny fampakarana ny hetran’ny fadin-tseranana.
Raha tsiahivina, nakarin’izy ireo tsikelikely izany satria niainga 10%, avy eo 25% ary amin’izao fotoana dia mieritreritra hampakatra 50% mihitsy ny amerikanina. Voakasika manokana ny fanondranana kodiarana ataon’ny Sinoa mankany amerika izay nahatratra 2 miliara dolara tamin’ny taona 2017. Fetsy anefa ny kelimaso ka nandray fepetra maro. Naroborobony ny fanondranany ny vokatra nankany Japon sy Eoropa ka nampidininy mihitsy ny vidim-bokatra ahafahana mifaninana. Ankoatra izay, nohetsehiny hatrany ny tsena anatiny satria mbola misy 40% ireo mponina tambanivohitra any aminy tokony hisitraka ny vokatra. Nanao ezaka ny governemanta ny amin’ny fanatsarana ny faripiainan’ireo tantsaha ireo tamin’ny alalan’ny fampindramam-bola hampiainga haingana ny sehatry ny fandraharahana. Tetsy an-daniny, matahotra mafy ny amerikanina ny amin’ny fandrosoan’ity firenena ity ka nahatonga ny fepetra nampakarana hatrany ny haban’ny fadin-tseranana. Manodidina ny 7% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena ezahin’ny sinoa tratrarina amin’ity taona 2018 ity ary raha voatazony ny laharana amin’ny fampandrosoana ara-teknolojia dia tratrany izany ary tombanan’ny mpahay toekarena ho voalohany maneran-tany mihitsy izy ka hisongona ny amerikanina amin’ny 2030. Mafy ny ady ara-barotra amin’ny firenena mandroso. Ilaina ny mandray anatra sy lesona azy ireny ho an’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.