Dossier

Ady ara-barotr’i Amerika sy Sina Tokony handraisana lesona


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Lasa 20% sisa ny tahan’ny fanondranan’entan’ny firenena Sinoa mankany Amerika noho ny fampakarana ny hetran’ny fadin-tseranana. Raha tsiahivina, nakarin’izy ireo tsikelikely izany satria niainga 10%, avy eo 25% ary amin’izao fotoana dia mieritreritra hampakatra 50% mihitsy ny amerikanina.

 

 

 Voakasika manokana ny fanondranana kodiarana ataon’ny Sinoa mankany amerika izay nahatratra 2 miliara dolara tamin’ny taona 2017. Fetsy anefa ny kelimaso ka nandray fepetra maro. Naroborobony ny fanondranany ny vokatra nankany Japon sy Eoropa ka nampidininy mihitsy ny vidim-bokatra ahafahana mifaninana. Ankoatra izay, nohetsehiny hatrany ny tsena anatiny satria mbola misy 40% ireo mponina tambanivohitra any aminy tokony hisitraka ny vokatra.  Nanao ezaka ny governemanta ny amin’ny fanatsarana ny faripiainan’ireo tantsaha ireo tamin’ny alalan’ny fampindramam-bola hampiainga haingana ny sehatry ny fandraharahana. Tetsy an-daniny, matahotra mafy ny amerikanina ny amin’ny fandrosoan’ity firenena ity ka nahatonga ny fepetra nampakarana hatrany ny haban’ny fadin-tseranana. Manodidina ny 7% ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena ezahin’ny sinoa tratrarina amin’ity taona 2018 ity ary raha voatazony ny laharana amin’ny fampandrosoana ara-teknolojia dia tratrany izany ary tombanan’ny mpahay toekarena ho voalohany maneran-tany mihitsy izy ka hisongona ny amerikanina amin’ny 2030. Mafy ny ady ara-barotra amin’ny firenena mandroso. Ilaina ny mandray anatra sy lesona azy ireny ho an’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT