Nivoaka omaly talata 29 tanoary tetsy amin’ny Gara Soarano ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar (TIIM) momba ny tondron’ny kolikoly IPC (Indice de Perception de la Corruption) sy ny laharan’i Madagasikara ho an’ny taona 2018.
Miisa 7 ny loharanon’ny tarehimarika nahazoana sy nandrafetana ny naoty nahazoana ny IPC 2018 ka anisan’ireny ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Afrikanina ho amin’ny fampandrosoana. Nitombo 1 ny naotin'i Madagasikara, ary nisongona firenena 3 mitaha ny tamin’ny taona 2017. Lasa laharana faha 152 amin'ny firenena 180 nanaovana fanadihadiana ny Malagasy ny taona 2018 raha 155/180 tamin’ny 2017 ary nahazo naoty 25/100 raha 24/100 tamin’ny 2017. Na dia hita nisy fivoarana kely aza ny tarehimarika mihoatra ny taona 2017 dia nanambara ny teo anivon’ny TIIM fa mbola lavitra ny ezaka satria mbola ambany lavitra amin’ny salan’isan’ny kaotinanta Afrikanina izay manome 32/100 ny naotin’I Madagasikara. Nilaza ny filohan’ny TIIM, Maître Alex Rafamatanantsoa fa antony nahatsara kely ny naotin’ny Malagasy ny nametrahana ny fitsarana mahakasika ny ady amin’ny kolikoly (Pôle Anti-Corruption) tamin’ny taona 2018. Tokony hitohy mafy hatrany ny ezaka hoy izy satria ny filoham-pirenena vaovao dia nilaza mazava fa hanao vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny fotoanan’ny fianianany. Nanamafy io filohan’ny TIIM io fa sedra ho an’ny filoha vaovao sahady ny ezaka tsy maintsy hatao amin’ny fampandaniana ny lalàna eo anivon’ny antenimieram-pirenena momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites). Etsy andaniny dia anisan’ireo kandida miisa 30 tsy namaly ny antson’ny TIIM tamin’ny oktobra 2018 ny amin’ny tokony hanaovana tatitra momba ny loharanom-bolany nampiasaina tamin’ny fifidianana teo i Andry Rajoelina. Mbola tsy tara izy raha hanao izany ary fotoana izao hanaporofoany fa tena hikatsaka ny fangaraharahana sy hiroso amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana izy hoy hatrany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny TIIM. Hahatratra ny naoty 50/100 ny tanjon’i Madagasikara amin’ny taona 2025, tsy tody amin’izany isika raha tsy miara-misalahy ka miainga hatrany amin’ny filoham-pirenena sy ireo filohana andrim-panjakana ny modely amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.