Mirongatra tanteraka ny fidiran’ny fanday biby kely mpanimba voly « chenille légionnaire » amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Manolotra vahaolana ny minisiteran’ny fambolena fa tsy maintsy haroso mialoha ny fotoam-pambolena ho an’ny voly miandry orana ampihenana ny fahasimban’ny vokatra. Mila manova ny fomba amam-panao nahazatra hatramin’izay ny tantsaha milofo amin’ny fambolena katsaka manoloana ny firongatr’ity fanday ity. Ny volana janoary sy febroary no tena mampasiaka azy io. Raha mbola kely ny voly katsaka ka raha mbola vao mitsiry aleo tsy mamboly satria hiteraka fatiantoka be ho an’ny tantsaha, hoy ny tompon’andraikitra iray eo amin’ny minisitera. Raha lasa aloha dia afaka miatrika ilay biby ka manentana ny eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena fa tsy tokony hiandry orana janoary vao hamboly katsaka. Efa nisy ny ezaka nataon’ny fanjakana sy ireo mpiara miombon’antoka iadiana amin’izy ity ka nomen-danja manokana ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra manerana ny nosy, indrindra ireo teknisianina. Nisy ihany koa ny fanomezana toromarika ireo tantasaha. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no fomba mahomby amin’ny ady aminy ary fomba iray mampihena ny fahavoazana ny firosoan’ny fambolena, indrindra ny voly miandry orana. Voasokajy ho faritra mena tena ahiana amin‘ity fanday mpanimba voly ity ny ilany andrefan’ny nosy fa faritra mavo kosa ny afovoany andrefana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.