Dossier

Ady amin’ny fampiasana harona plastika Tsy ampy ny fanentanana


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Omaly alarobia 3 jolay 2019 no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena tsy hampiasana harona plastika. Maro ny firenena efa manomboka manohitra ny fampiasana ireny.

 

 

Ny eto Madagasikara kosa dia tsy afaka mihitsy ny fahazaran-dratsy na dia efa nisy hatrany aza ny fanentanana. Tany Senegaly manokana, ohatra, natao ny lalàna  momba ny fandrarana ny famokarana, ny fampidirana, ny fitazonana, ny fanapariahana, ny fampiasana ireny harona plastika madinika ireny ary hita ho nahomby satria nahatsara tanteraka ny tontolo iainana. Ankoatra izay, nasiana mihitsy ny fanodinana sy fitantanana ara-barotra ny fako plastika. Teto amintsika, efa nisy ny dingana sy ezaka nataon’ny minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra hampiharana io lalàna io ihany koa saingy tsy mipaka tsara amin’ny vahoaka ny fanentanana. Manampy trotraka koa ny tsy fisiana sy ny tsy fahampian’ireo tetikasa fanodinana kanefa nampandroso firenena afrikanina maro tahaka ny Senegaly sy Roanda izany.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT