Dossier

Ady amin’ny famotsiam-bola Lasa sakana ho an’ny SAMIFIN ny lalàna sasany


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Ny lalàna lah2004-020 tamin’ny 19 aogositra 2004 izay mifehy ny SAMIFIN hatramin’izao dia manasokajy fotsiny hoe avy amin’iza avy no raisina ny fanambaran’ahiahy.

Lalàna  izay efa tamin’ny 14 taona lasa sady tsy manaraka ny toetrandro intsony. Efa nandroso hevitra sy niantso ny tompon’andraikitra hatrany ny SAMIFIN mba handany lalàna ahafahana miady amin’ny famotsiam-bola amin’ny fomba mahomby araka ny tatitry ny Tale Jeneraliny Andriamatoa Lamina Boto Tsara Dia. Tamin’ny taona 2016 no efa nandrafitra volavolan-dalàna vaovao izy ireo ary nalefa tany amin’ny fanjakana  ny  taona 2017 kanefa hatramin’izao dia mihitsoka fotsiny eny amin’ny antenimieram-pirenena ary tsy fantatra mazava ny tohiny. Rehefa te hahita fahombiazana amina trangan-javatra tahaka ny famotsiam-bola, fakàna an-keriny itadiavam-bola ary ny kolikoly anefa dia tokony hanana lalàna tsara manaraka ny toetrandro ahafahana miasa. Voafetra ihany ny andraikitry ny SAMIFIN raha mbola io lalàna io no iasana sy entina mihetsika ka tokony handray anjara ny fahefana mpanao lalàna.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT