Dossier

Ady amin’ny delestazy Ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina no tena vahaolana


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Nifarana teny amin’ny Hotely Panorama Andrianarivo omaly zoma 22 febroary ny herinandron’ny angovo.

 

Tsiahivina fa nisy ny fepetra vonjimaika noraisina ho an’Antananarivo izay nampitomboina avo roa heny (300m³) ny tahirin-tsoliky ny JIRAMA nanafoanana ny delestazy. Nisy ihany koa anefa ny fepetra avy any amin’ny fanjakana ny amin’ny tsy maintsy hanafoanana ny delestazy any amin’ny faritra miisa 60 izay mbola miaina izany. Araka izany dia hisy ny fidinana ifotony eny amin’ireo tanàna misy delestazy ireo hametrahana ny groupe, hampitomboana ny tahirin-tsolika arakaraky ny filan’izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia mizarazara ary marobe ireo fifanarahana ataon’ireo orinasa miara-miasa amin’ny JIRAMA ka manahirana sy miteraka olana. Nilaza ny Minisitry ny Angovo, Vonjy Andriamanga fa efa nisy ny soso-kevitra izay efa neken’ny ankamaroan’ireo orinasa ireo ny amin’ny firosoana amin’ny “coût complet”. Amin’io farany io dia ireo orinasa ireo ihany no manao ny fikarakarana rehetra mahakasika ny “groupe”, izy ihany koa no mamatsy ny solika fa ny vidin-jiro hamokarana sisa no iandraiketan’ny JIRAMA. Nilaza ihany koa ny minisitra fa efa voaloa ny vidin-tsolika nampitomboina avo 2 heny tamin’ny fepetra vonjimaika. Namerina hatrany ny maha-zava-dehibe ny famokarana toby herinaratra, ny fitodihana amin’ny angovo azo havaozina amin’ny masoandro miaraka amin’ny fanaovana toha-drano mba ho vahaolana maharitra ny Minisitra. Nivoitra ihany koa ny tokony ho fampiharana ny fampitoviana ny vidin-jiro aloan’ny mpanjifa satria misy elanelana be izany na ny samy eto an-toerana mainka fa ny eto sy ny any amin’ny faritra (péréquation tarifaire). Nanamafy ihany koa ny minisitra fa tsy mety raha tsy handoa ny vidin-jirony ny fanjakana ka tsy maintsy hamafisina ny fepetra ny amin’izany ho fanarenana hatrany ny orinasa JIRAMA. Tsindrin-daona ary miandry ny fanatanterahana izany soso-kevitra sy vahaolana rehetra izany ny Malagasy ankehitriny

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT