Misy sehatr`asa, faritra… hisian`ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Hatramin`izay miainga amin`ireo rafitra mpikirakira vola na ireo sehatr`asa natao hanao fanambarana na rafitra voara-maso ny fitsirihana ataon`ny sampana misahana ny ady amin`ny famotsiam-bola (SAMIFIN).
Eto Madagasikara anefa, 6%-n` ny olona no manana kaonty any amin`ny banky ka raha ivelan`izany, tsy ho hitan`izy ireo hanome fanambarana. Ny fomba fanao teo aloha dia miainga amin`ny vola mihoatra ho an`ny olon-tsotra, ka 10 tapitrisa ariary izany ary 50 tapitrisa ariary ho an`ny orinasa ny fitsirihana. Hametraka paik`ady vaovao kosa ny SAMIFIN, hoy ny tale jeneraliny Lamina Boto Tsara satria ilay lalàna vaovao momba ny ady amin`ny famotsiam-bola ity dia manome fahafahana bebe kokoa hitsirika ny famatsiam-bola amin`ny sehatra maro, indrindra ireo sehatra manao raharaha an-tselika. Miainga avy amin`ny mety ho tranga famatsiam-bola no entina miady aminy na antsoina hoe “Approche basèe sur les risques”. Tokony ho sarotiny amin`io ady io ny Malagasy ka mandresy lahatra mba hampandany ny lalàna vaovao momba ny harena azo amin`ny tsy ara-drariny amin`ny mpitondra na ny mpanatanteraka ny SAMIFIN ankehitriny. Nilaza ny tale jeneralin`ny SAMIFIN fa handringa ny fandresen-dahatra mandritra ny fivoriamben`ny GAFI, izay iarahana amin`ireo teknisianina sy rafitra misolotena ireo firenena (task-force) ao anatin`izay ady amin`ny famatsiam-bola na dia mahafehy ny ampahany betsaka takian`ny lalàna farany teo. Mialoha ilay fivoriana amin`ny volana aprily ho avy izao, tsy maintsy mampita tatitra momba ny fampandrosoana amin`ny ady amin` ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin`ny asa fampihorohoroana amin`ny volana martsa izay hodinihana amin`ny fihaonambe ny SAMIFIN. Hangataka ny fanitsiana ny fandrefesana an`i Madagasiakara eo amin`ny fenitra takiana momba ny ady amin`ny famotsiam-bola isika, hoy hatrany ny fanazavana nataon`ny SAMIFIN.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.