Dossier

Ady amin`ny fahantrana Miainga amin`ny foto-pisainana


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Zavatra roa no mamaritra ny fahantrana. Voalohany dia miainga avy amin`ny foto-pisainana. Betsaka ny ezaka ataon`ny fitondrana toy ny lalana, tsena, fotodrafitrasa maro samihafa…

 

 

 Ny ampitso anefa dia lasa tsena, na koa hanaovan`ny olona fanariam-pako, ny fiantsonana ho an`ireo fitateram-bahoaka dia lasa parking. Manampatra ny tsy fanajana ny lalàna amin`ireny zavatra ireny. Eo ihany koa ny fangalarana ireo andrin-jiro, ny fanaovana maloto eny an-dalambe. N`inona inona ny fotodrafitrasa atao hitondra fandrosoana sy fivoarana dia tsy hisy zavatra miova satria ny foto-pisainana no mitondra azy. Manomboka any amin`ny fanabeazana eo anivon`ny fianakaviana, fiarahamonina ary eny an-tsekoly. Faharoa, ny fandrosoana sy ny fivoarana dia tokony hiainga eo amin`ny fanjakana. Manome asa ny fanjakana, manome fiainana sahaza ho an`ny vahoaka na any an-tanàn-dehibe na any amin`ireny toerana lavitra maro samihafa ireny. Mampihena ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, … Ireo koa no mahatonga ny olona mitsoaka ho aty an-tanàn-dehibe satria very fananana dia miha mahantra. Mila mametraka ny politika ekonomika sy sosialy mazava tsara eto Madagasikara. Izany anefa dia tsy maintsy miainga amin`ny fampianarana sy famoronana asa ary ny fampidirana ny hetra samihafa.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT