Nanao ny fianianany omaly zoma 24 aogositra ireo administrateurs des services financiers (ASF) andiany faha-2 miisa 23 navoakan’ny sekolim-panjakana misahana ny fitantanana eto Madagasikara (ENAM).
Nofanina manokana mba hitantana sy hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana izy ireo. Mandray anjara feno hatrany amin’ny fandrafetana ny tetibola fanombohana (loi de finances) ary hatramin’ny fanatanterahana ny lalàna ny ASF (loi de règlement). Izany no mahatonga azy ireo saika miasa sy mitana andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola na dia misy ihany aza sasantsasany miasa amin’ny orinasam-panjakana. Marihina fa tamin'ny taona 2003 no namoronana ity asa ity taorian'ny fangatahan'ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mba hisian’ny fangaraharan’ny fitantanam-bolam-panjakana. Miisa 180 eo ho eo ny ASF efa miasa amin’ny faritra 22 eto Madagasikara izay mizara anatin’ny sampandraharaha maromaro. Mbola vitsy izany satria tokony ho 250 eo no hitana ity andraikitra ity araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ASF Andriamatoa Rahariferana Mino Hajaina. Tonga nanatrika ny fianianana ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.