Dossier

10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Nandritra ny 10 taona nitsanganan’ny Sampandraharaha iadiana amin'ny famontsim-bola sy famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana (SAMIFIN) izay dia tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.

 

 Mbola maro ireo olana sedrain'ny SAMIFIN toy ny tsy fahampian'ny mpiasa. Misy ihany koa ireo rafitra mila ovaina hahafahana manatsara ity sampandraharaha ity satria voafetra hatrany ny asa aman’andraikiny amina fotoana sasany. Voafetra ihany mantsy ny asan’ny SAMIFIN satria rehefa voamariny hoe misy famotsiam-bola ny raharaha iray dia ampiakariny any amin’ny fitsarana (chaine penale) fotsiny izany, dia izay. Mijanona hatreo izany kanefa ao amin’izay no mety  miainga ny kolikoly avo lenta  ary matetika dia lasa“dossier classé” hatrany ny raharaha. Efa mba nisy ihany ny ezaka natao satria nitombo isa ny fanamelohana ireo tratra nanao heloka raha ny nambaran'ny tale jeneraly, Lamina Boto Tsara Dia nandritra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny SAMIFIN tamin’ny faran’ny herinandro teo.

 Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT