Any Ivelany

Zimbabwe Amin’ny 4 aogositra ny voka-pifidianana


  • Talata 31 Jolay 2018

Ny sabotsy 4 aogositra izao farafahatarany no ho fantatra ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena notanterahana tatsy Zimbabwe omaly alatsinainy 30 jolay.

 

 Nilamina tamin’ny ankapobeny ny latsa-bato. Voalohany teo amin’ny tantaran’ity firenena ity no nisy olona hafa ankoatra an’i Robert Mugabe no hofidiana. I Emmerson Mnangagwa avy amin’ny Zanu PF antoko eo amin’ny fitondrana sy Nelson Chamisa natolotry ny MDC antoko mpanohitra no sokajiana ho mpifaninana matanjaka amin’ireo kandida 23. Heverin’ny mpanara-baovao fa tsy maintsy ny iray amin’izy mirahalahy ireto no ho filoha. Mirona kokoa any amin’i Nelson Chamisa ny safidy ho an’ny filoha teo aloha Mugabe satria tsy mbola levon’ny vavoniny ny fanonganam-panjakana natao azy izay voalaza fa notarihan’i Emmerson Mnangagwa noheverina fa tena olona akaiky azy. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT