HETSIKA BOSTON

MUSIC AWARDS 2026


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Tafiditra ao anatiny i Niu Raza

Manandratra ny mozika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Niu Raza, izay voatendry amin’ny handray anjara amin’ny hetsika Boston Music Awards 2026, sokajy Afro/Caribbean Artist of the Year. Anisan’ny fifaninanana hafa handraisan’ity mpihira, mpamoron-kira ary mpamokatra mozika anjara amin’ity taona ity ihany koa ny New England Music Awards sy ny Afromada Music Awards. Taorian’ny asa mafy nandritra ny 10 taona mahery, dia maneho ny hafaliany i Niu Raza noho ny fahazoan’ny mozikany fankasitrahana bebe kokoa hatrany. Tsy mijanona ho azy irery izany fa ho an’ny firenena Malagasy manontolo mihitsy. Miantso ireo diaspora Malagasy monina any Etazonia ny tenany mba handray anjara amin’ny fifidianana. Mitohy hatramin’ny 16 Novambra ho avy izao izany ary natokana ho an’ny mponina any Etazonia irery ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : I Niu Raza, anisan’ireo mpanankato sy mpamoron-kira manandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Krizy ara-tsosialy
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

sy ara-toekarena Mirotaka ny Frantsay,

  • Fampisehoana
  • Talata 06 Oktobra 2026

maro hahatsiarovana an’i Johnny Hallyday

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

Hijery ny tohiny
FTT