Any Ivelany

Zezika avy amin’ny firenena sinoa Ho zaraina amin’ny traboina


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Nosoniavina ny 9 aprily teo ny fifanarahana fanomezana famatsiam-bola tsy averina avy amin'ny firenena sinoa ho famatsiana zezika

entina hampitomboana ny famokarana eto Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao voaray avy teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Mifanindran-dalana amin'ny paikady napetraky ny fitondram-panjakana hanamorana ny fahazoan'ny tantsaha ireo hanam-pamokarana toy ny masomboly sy zezika izao fifanarahana izao, hoy ny fanazavana. Nanome toromarika ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, ny hitsinjarana avy hatrany ireo zezika azo avy amin'izao famatsiam-bola izao amin'ireo faritra traboina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane mba hanarenana ireo voly dibo-drano, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Isan’ny fanontaniana goavana mipetraka ankehitriny ny hoe tsy afaka mamokatra zezika mety amin’ny toe-tany eto Madagasikara intsony koa ve isika ankehitriny? Tsy afaka mamokatra masomboly intsony koa ve? Firenena nalaza ho isan’ny sompitry ny vary hatramin’izay ve izany no lasa voatery manafatra vary dia izao indray lasa voatery hanafatra zezika hatramin’ny masomboly mihitsy? Rehefa tsy vola ihany no takalony dia inona?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT