ZANAK’AMBOHIDRATRIMO MAROVATANA

Nitohy tao Ampanataovana ny asa sosialy


  • Talata 12 Desambra 2023

Mitohy ny asa sosialy tanterahin’ny Zanak’Ambohidratrimo Marovatana na ny ZAM ka ny

Fokontany Ampanataovana indray no nahazo fanampiana maro isan-karazany ny faran’ny herinandro teo. Nahazo rano fisotro madio ny fokonolona, ary nomena masomboly ireo mpamboly, ny mpianatry ny EPP avy amin’ny fianakaviana sahirana nahazo tohana ara-bola ary ny mpanao fanatanjahan-tena nomena baolina kitra. Mpianatra kilasy T4 ao amin’ny EPP Ampanataovana Ny Avo, zazavavikely kamboty ray ary marary saina ny reniny, ka dia ny renibeny no mitaiza azy sy i Nasandratra zokiny. Tsy manam-bola hanefana ny vola fisoratana anarana ny renibeny izay sahirana ka saika hajanona amin’ny fianarana i Ny Avokely. Nankasitraka feno an’i Rabary Hery Filohan’ny ZAM tena mitsinjo ny madinika sy ny sahirana ny reniben’Ny Avo izay manano-tena noho izany fanampiana azony izao. Ankoatry ny ankizy mpianatra dia nahazo tombotsoa lehibe ny fokonolona ary notolorana rano fisotro madio. Amin’ny maha mpanao fanatanjahan-tena an’i Rabary Hery Filohan’ny ZAM kosa no nanampiany ireo mpanao baolina ka nanolorany fitaovana ny Klioba tsirairay ao Ampanataovana. Koa satria fotoam-pambolena isika izao dia notolorana masomboly koa ireo tantsaha rehetra Mbola hitohy any amin’ireo Fokontany valo hafa ao anatin’ny Kaominina Ambohidratrimo ny asa sosialin’ny ZAM.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny ZAM !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT