Any Ivelany

Wuhan-Chine Vita tao anatin’ny folo andro ny hopitaly roa vaovao


  • Talata 04 Febroary 2020

Folo andro monja no nananganan`ny sinoa hopitaly "préfabriqué" vaovao roa any ambanivohitr’i Wuhan, faritany nipoiran’ny valanaretina Coronavirus, handraisana an-tanana ireo marary noho ny hafenoan’ny hopitaly sy mba hifehezana ny fiparitahan’io valanaretina io.

 

Omaly ny hopitaly voalohany, « Huoshenshan Hospital » izay miorina amina velarantany 25 000 m² ary misy fandriana 1 000 no nandray marary. Mivelatra amin’ny velaran-tany 60 000 m² ny hopitaly faharoa, « Leishenshan Hospital » ary hisy fandriana 1 600. Heverina ho afaka handray marary io hopitaly io amin’ny 5 febroary izao. Mpiasa 4 000 sy milina 100 no niasa andro aman’alina namita ny asa tao anatin’ny herinandro. Azo faritana amin`izao ny fahafahana mihetsika haingana any amin`ireo firenen-dehibe.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT