Nodimandry omaly 2 aprily teo amin’ny faha 81 taonany Rtoa Winnie Madikizela Mandela, vady andefimandrin’i Nelson Mandela teo aloha.
Notsaboina tao amin’ny hopitaly Milpark ao Johannesburg noho ny aretina nahazo azy efa hatry ny ela izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Fantatra fa efa niditra hopitaly im-betsaka izy hatramin’ny fiandohan’ity taona ity.Niady tamin’ny fanoherana ny Apartheid na ny politikan’ny fanavakavaham-bolon-koditra tany Afrika atsimo nandritra ny 27 taona namonjana an’i Nelson Mandela vadiny i Winnie.Nisara-panambadiana anefa izy roa ireo ny taona 1996 , izany hoe roa taona taorian’ny tsy naha filoham-pirenena intsony an’i Nelson Mandela ary tena niteraka resa-be io fisarahana io satria maro ny resaka nandeha sy ny zavatra naha voasaringotra azy. Anisan’ireo mpitantana ny antoko ANC voarohirohy tamin’ny raharahana kolikoly ny taona 1992 i Winnie Mandela ary nesorina tamin’ny andraikiny mihitsy. Efa minisitra lefitra nisahana ny kolontsaina izy ny taona 1994 saingy voaroaka satria tsy nanatanteraka ny baiko nomen’ny governemanta azy. Ny taona 2003 dia voahenjiky ny fitsarana noho ny resaka hosoka indray izy.
Fifidianana filoha tany Ejipta
97,8% no vato azon’i Abdel Fattah al Sissi
ofisialy nanomboka omaly alatsinainy fa ho filoha hitantana an’i Ejipta indray ny jeneraly Abdel Fattah al Sissi. Azony ny 97,08% -n’ny vato manan-kery nandritra ny fifidianana notanterahana ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia lasa teo.Mananiky ny 41 % ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy tany an-toerana. Mitovitovy amin’io ihany ny isam-bato azony ny taona 2014 rehefa avy nanongana an’i Mohamed Morsi izy. Maivana dia maivana mba tsy ilazana hoe tsy misy ny mpanohitra any Ejipta. 4 taona ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ary raha ny lalàmpanorenana Ejipsianina no raisina dia fotoam-piasana farany ho an’i Abdel Fattah al Sissi no atrehany ankehitriny satria efa-taona in-droa misesy ihany no azo atao ho ana filoham-pirenena iray.
Malaisie
Mampigadra 6 taona ny fanapariahana “fakenews »
Lany teo anivon’ny parlemantan’i Malaisie ny lalàna manasazy ny fanapariahana tsaho na vaovao tsy marina (fakenews). Mety hampigadra 6 taona miampy fandoavana lamandy hatramin’ny 99 000 euros io fanapariahana vaovao tsy marina amin’ny endriny rehetra io, izany hoe na amin’ny filazam-baovao na amin’ny trakta na any anaty tambajotran-tserasera toy ny facebook na tweeter. Ekena mihitsy ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra, hoy ny minisitry ny fitsarana Azalina Othman Said saingy tsy maintsy arovana amin’ny resaka tsaho mety hampikorontan-tsaina ny vahoaka. Fahita matetika amin’ny tambajotran-tserasera ny fakenews ary matetika misy mihitsy ny mahazo vola be amin’ny alalan’izy io. Fitaovana iray ihany koa hanasoketana olona iray izy io matetika fa misy ihany koa indraindray ny hoe manao sangy mihoatra ny loha ka mamoron-javatra fotsiny tsotra izao mba hanalana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.