Vondrona Gasy tia toaka

Nihaona teny Ankorondrano


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nanatanteraka fihaonana ny marainan’ny sabotsy teo ny Gasy Tia Toaka.

Vondrona hafa kely ifandriasan'ireo mpisotro zava-pisotro misy alikaola izy io, raha ny fampitam-baovao voaray. Miisa 12.000 mahery ny mpikambana ao aminy ary dia nisy ny antso nataon'ny mpandrindra ny vondrona ho an'ny fihaonana nasionalin'izy ireo tetsy Ankorondrano iny sabotsy iny. Am-polony maro kosa ireo tonga namonjy ny hetsika ary nameno mihitsy ny "kitonotono" ireo mpikambana mavitrika, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mampametra-panontaniana ihany hoe inona moa izany no tena tanjon’ny fikambanana tahaka itony? Mifanaraka amin’ny lalàna sy soatoavina misy eto amin’ny firenena ve? Mety ho azo heritreretina sy ho sanatrian’izany halalaka ihany koa ve atsy ho atsy ny fikambanan’ny na vondron’ny gasy tia rongony na zava-mahamamo sy mahadomelina hafa? Isika malagasy moa izany izao malaza ho isan’ireo firenena be mpisotro toaka indrindra, raha ny tarehimarika nivoaka farany. Tokony ho rehareha sa henatra ve nefa izany?
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT