VONDRON-TAFIKY NY OTAN

Miomana ny ahaleotena fa tsy hiankin-doha amin'i Etazonia intsony


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Mila mivonona hanao fanazaran-tena sy hetsika tsy misy an'i Etazonia amin'izay ny tafiky ny OTAN hoy

i Jean Paul Palomeros, lehiben'ny tacika anabakabaka frantsay ary efa nisahana ny andraikitry ny komandy ambonin'ny OTAN. Miha mahoraka mantsy fa hoe mety hisitaka amin'ny vondron-tafiky ny OTAN ny Amerikana, efa nanatsidika hatramin'ny propagandy tamin'ny 2024 i Donald Trump hoe mila mampitombo ny latsakemboka arotsany ao amin'ny kitapom-bolan'ny OTAN ny eoropeana; mila samy mamoaka vola hiarovana ny fireneny hoy i Trump. I Etazonia sy Allemagne amin'ireo firenena 32 mpikambana no mandrotsa-bola betsaka indrindra ao amin'ny OTAN . Samy miantoka ny 15,88% ny tetibola isan-taona tsirairay avy. 10,96% ny an'ny Royaume Uni, 10,19% ny an'i France. Mitentina 4,6 miliara euros isan-taona ny tetibola iasan'ny OTAN ka tafiditra ao anatin'izany ny fampandehanan-draharaha sy fanazaran-tena iombonana ary ny fiomanana amin'ny mety hanetsehana andian-tafika. Ho an'i Etazonia manokana dia 970 miliara dolara isan-taona ny tetibola ho an'ny fiarovam-pirenena, ambony lavitra noho ny an'ireo firenena 31 hafa mpikambana ao amin'ny OTAN (506 miliara dolara). Nanova zavatra maro teo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena ny ady ifandonan'i Rosia sy Ukraine ka izao lasa misy fiantraikany any amin'ny Vondron-tafiky ny Atlantika avaratra na ny OTAN izao. Ny antony dia efa tena nandrotsa-bola be nanampiana an'i Ukraine i Etazonia tato anatin'ny 3 taona saingy eo ho eo ihany no nataon'ny eoropeana. Te hanitsy an'io heveriny fa zara vilana amin'ny famoaham-bola hanampiana an'i Ukraine i ny filoha Amerikana . Anisan'ny antony nametrahan'ireo firenena tandrefana ny OTAN moa ny fiarovana ny sisin-tanin'izy ireo manoloana ny mety herisetra na fanafihana avy any atsinanana no sady karazana don-tandroka ihany koa manoloana ny tatsinanana indrindra fa i Rosia, izay tena matanjaka ara-tafika ihany koa anefa.

Ny taona 1949 taorian'ny ady lehibe faharoa no nananganana my OTAN ka firenena 12 no mpikambana mpanorina tamin'izany fotoana dia i Belgique, le Canada, le Danemark, les États-Unis, la France, l’Islande, l’Italie, le Luxembourg, la Norvège, les Pays-Bas, le Portugal et le Royaume-Uni.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT