Any Ivelany

Vladimir Poutine Tsy maintsy atao matanjaka sy manankarena i Rosia


  • Talata 08 Mey 2018

76,7% no salan’isa azon’i Vladimir Poutine ny volana martsa teo ary omaly izy no nanao ny fianianany ka hitantana an’i Rosia indray hatramin’ny taona 2024.

Fe-potoam-piasana faninefany ho azy io. Fantatro tsara ny adidy makadiry iantsorohako ary hanao izay fara heriko aho hampitombo ny harena sy ny tanjak’i Rosia, hoy i Vladimir Poutine. Naveriny amin’ny toeran’ny praiminisitra ihany moa i Dmitri Medvedev izay efa mpiara-miasa taminy nandritra ny 15 taona ary anisan’ireo nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fametrahana ny fitoniana. Maro amin’ireo mpanao famakafakana ny politika iraisam-pirenena no mihevitra fa efa manomana izay olona handimby azy aorian’ny 2024 ny filoha Poutine ary olona tsy miantsy mitovy fomba fijery sy fomba fisainana aminy io. I Vladimir Poutine moa no nahavita nanarina ny toekaren’i Rosia taorian’ny krizy lehibe noho ny faharavan’ny firaisana sovietika (URSS) teo aloha

Air France

Tojo fahasahiranana tanteraka

Mitohy ihany ny fitokonan’ny mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Frantsay Air France. Tsy nahavaha olana ny fametraham-pialan’ny filoha tale jeneraly Jean-Marc Janaillac ny zoma lasa teo. Tsy mitsahatry ny mitotongana ny sandan’ny Air France KLM eo anivon’ny tsenam-bola. Raha ny tatitra ara-bola nivoaka ny faran’ny herinandro teo dia nahatratra 269 tapitrisa euros ny fatiantoka. Vinavinaina fa ho ratsy ny fidiram-bola amin’ity 2018 ity. Ny volana jolay 2016 no nandray ny toerany i Jean-Marc Janaillac ary tanjona ny fanarenan-doha ny Air France, saingy tsy tanteraka izany ary tena nanimba ny tsena ny fisian’ireo sidina mora (Lowcost) ataona kaompaniam-pitaterana tsy miankina maro izay manomboka miha mahazo vahana any Eoropa. Ny politika momba ny karama moa no tsy ankasitrahan’ireo mpiasa ka mahatonga ny fitokonana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT