Any Ivelany

Vladimir Poutine Nirobo-drano


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Nandritra ny fetin’ny Epiphanie Orthodoxe ny alin’ny alakamisy hifoha zoma tany Rosia dia niroboka tao anaty ranomandry tsy nitafy ny filoha Rosianina Vladimir Poutine tao amin’ny farihin’i Seliguer any avaratra andrefan’i Moscou.

Raha nahita izany ireo vahoaka dia niroboka avokoa. Ity fety ara-pinoana ity moa dia atao isan-taona any amin’ny andro mangatsiaka. Nisy fotoana ny manampahefana any mametra ireo faritra sasany tsy hankalaza izany noho ny hatsiaka mamirifiry izay mety hitera-doza.

Fitokonan’ny mpiandry fonja any Frantsa

Nirefodrefotra ny lakrimozena

4 andro nanaovan’ny mpiandry fonja fihetsiketsehana nasionaly dia nisy ny fifandonana teo amin’ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana ny zoma teo. Nanao fihetsiketsehana ireto mpiandry fonja teo anoloan’ny fonjan’i Fleury-Mérogis any Frantsa izay anisan’ny fonja lehibe indrindra any Eoropa, ka nobahanan’izy ireo ny lalana sy ny vavahady. Rehefa tonga teo ireo mpitandro ny filaminana dia nitifitra tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana 150 mahery mba hidiran’ireo mpiandry fonja hafa hiasa.

Californie – Etazonia

Hita ny vaksinin’ny gripa mahery vaika

Manampahaizana maro nanao fikarohana no nahita vaksiny hiadiana amin’ny gripa tamin’ny alalan’ny famoronana viriosy tao anaty laboratoara. Raha ny andrana nataon’izy ireo tamina biby dia anisan’ny vakisiny tena mahery sy mandaitra ity. Ny nahatonga an’ireto Profesora ireto nanao ity fikarohana ity dia noho ny fahamaroan’ireo olona matin’ny gripa; raha ny tatitry ny OMS (Organisation Mondiale de la Santé) mantsy dia 650 000 no maty isan-taona eto an-tany. Nilaza moa ny Profesora  Biolozista Moleculair avy  ao amin'ny oniversiten’i California, fa alohan’ny hamoahana azy ofisialy dia hanatanteraka andrana maro ry zareo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT