Any Ivelany

VLADIMIR POUTINE MIHEVITRA HANAO VAKSINY FAOBE AMIN’NY HERINANDRO


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

I Royaume Uni no firenena voalohany nanaiky ny maha manan-kery ny vaksiny hiadiana amin’ny covid-19 novokarin’ny Pfizer sy BioNTech.

 Nanome toromarika ny manampahefana ara-pahasalamana amin’ny fahafahana manao vaksiny faobe any aminy ihany ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine omaly, ka amin’io herinandro ho avy io no hatomboka. Maherin’ny 2 tapitrisa “doses” no nambarany fa efa vita, ary efa vonona. Niantso ireo manam-pahefana ara-pahasalamana noho izany I Poutine mba hanomboka ny vaksiny fa tsy hiandriandry ka handeha ny vaksiny faobe ho an’ny mponina. Ao anatin’ny dingana fahatelo farany amin’ny fanandramana ny vaksiny Rosianina “Spoutnik V” novokarin’ny GamaleÏa ao Moscou, ary efa nambaran’io mpamorona azy io, fa 95% ny fahombiazany. Amin’io herinandro ho avy io no hanomboka ny vaksiny faobe, raha ny toromarik’i Poutine.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT