Any Ivelany

Vidim-piainana midangana sy kolikoly Miha mafy ny hetsika an-dalambe any Liban


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Efa hiditra amin’ny faha 90 andro izao no nitrangana fidinana an-dalambe tany Liban, fa niavaka kely omaly satria dia teo anoloan'ny banky foibe libanais no nitrangan'ny sakoroka.

 

 

 Nisy tanora namaky mihitsy ny fitaratry ny banky foibe. Ny fidangan'ny vola dolara sy ny kolikoly ataon'ny fitondrana no anton'izao, hoy ireo mpitokona. Maty noana izahay hoy ny hafa, ny vidim-piainana efa tsy zaka, ny karama nidina vaky sasaka, ny mofo efa tsy voavidy. Feran'ny banky amin'izao ny fakana vola noho ny tsy fahampian'ny vola dolara. Hatreto moa dia mbola tsy mety voatsangana ny governemanta libanais, ary efa mangataka ny ialan'ireo mpitondra ny mponina mitokona. Raha tsihivina, ankoatra ny ady sisin-tany tamin` i Israely dia nitondra faisana noho ny ady an-trano i Liban ny taona 1975 - 1990. Tena izany ve no hoe sasatry ny miarina raha tsy milamina haingana ry zareo ? Mila fantarina foana ny tantara teo aloha mba tsy hidirana kizo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT