Any Ivelany

VARIANT INDIEN EFA MIPARITAKA ANY AMINA FIRENENA 17


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

Miely haingana be ny “variant Indien” na B.1.617 izay tena mamono haingana dia haingana.

Firenena 17 raha kely indrindra no efa misy azy ankehitriny, araka ny tatitry ny OMS ny talata teo. Isany efa ahitana izany i Royaume-Uni, Etazonia, Singapour. Tao anatin’ny andro vitsy dia efa nahitana ihany koa tany amin’ny ankamaroan’ireo firenena Eoropeanina, toa an’I Belgique, Grèce, Suisse, Italie. Tsy mbola nisy trangana “variant Indien” voamarina kosa tany Frantsa, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Olivier Véran. Mora mifindra sady vetivety dia mahafaty ny variant B.1.617, ary ambaran’ny OMS fa mety tsy handairan’ny vaksiny. Nahatratra 379 459 ny tranga vaovao tao anatin’ny 24ora farany, ary 3647 ny maty tany Inde. Tsy maharaka intsony ny fandorana razana, ary tsy voahaja intsony fombafomba, fa izay hahatonga azy ho lavenina no hatao, asaina mitondra kitay handorana azy ny havan’ny maty.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT