Any Ivelany

VAOVAO AVY ANY IVELANY


  • Talata 09 Janoary 2018

Syria Olona 30 mahery matin’ny daroka baomba



 

Ny fitondrana Syriana dia mampifantoka ireo tafikany amin’ny hanafihana ny toerana 2 lehibe misy ireo mpioko. Ny iray any amin’ny avaratra andrefana ary ny iray any akaikin’i Damas. Olon-tsotra miisa 25 farafahakeliny sy ankizy 8 no maty ary naharatrana olona maro nandritra ny fandarohana baomba an’i Idleb nataon’ireo tafika ana habakabaka Syriana notohanan’i Rosia ny alahady teo. Ity fanafihana ity dia entina hiadiana ireo jihadista.

Fanonganam-panjakana tany Nizeria

Amin’ny 23 janoary ny fitsarana

 

Nahemotra amin’ny 23 janoary ny fitsarana ireo tafika nikasa hanongana fanjakana tamin’ny desambra 2015 izay saika hatao omaly maraina, noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’ireo mpisolovava. Ity raharaha ity moa dia nahavoasaringotra miaramila am-polony sy sivily iray ary ny zanaky ny Jeneraly Salou Souleymane izay lehiben’ny Etamazoro ny tafika teo aloha.

Filoha Frantsay

Mitsidika an’i Sina

Mitsidika an’i Sina nanomboka omaly ny filoha Frantsay Emmanuel Macron;  tao amin’ny tanànan’i Xian izy omaly alatsinainy. Hikatsahana fifanarahana eo amin'ny firenena roa ho an'ny hoavin'izao tontolo izao ny fitsidihana, indrindra fa eo amin'ny tontolo iainana. Nandroso soso-kevitra ho an’ireo tany Aziatika i Emmanuel Macron entina hiadiana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany izay hodinihina amin’ny COP 24 hotanterahina any Pologne amin’ny faramparan’ity taona 2018 ity. (

Fifidianana depiote any Italia

Lohalisitry ny antoko demokratika ny minisitra ny vola

 

Ny ministry ny fitantanam-bola Pier Carlo Padoan dia manaiky ny hitarika ny lisitry ny antoko Demokratika amin'ny fifidianana solombavambahoaka ho tanterahina ny 4 martsa izao.

Kitra Anglisy

Niatrika fitsarana ingahy mpanazatra

 

Niakatra fampanoavana tany Liverpool omaly ilay mpanazatra ny ekipan’ny Anglisy Barry Bennell izay voapanga ho nanolana sy nanao fanaraoraotana ara-nofo ireo zazalahy tsy ampy taona. Ity lehilahy ity moa dia 63 taona ary heloka 55 no hiapangana azy ka anisany ny fanaraoraotana ara-nofo Ankizy lahy miisa 12. Ireo heloka ireo dia nataony teo anelanelan’ny taona 1979 ka hatramin’ny 1991.(

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT