Hatramin’ny taona 1976 no efa namono olona manodidina ny 15.000 isa teto Afrika ny valan’aretina Ebola, raha ny tatitry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS.
Raha ampitahaina amina valan’aretina antsoina hoe SRAS izay anisan’ny nandripaka ny vahoaka sinoa kosa ny Coronavirus izay haely ankehitriny fa loza ho an’izao tontolo izao dia maivana ihany, raha ny fanadihadiana nataona gazety vahiny iray. Raha ity valan’aretina Coronavirus malaza ankehitriny mitondra ny anarana 2019 – nCoV ity no resahana dia manodidina ny 170 tamin’ireo olona niisa 7783 mahery no matiny raha toa ka olona miisa 133 no sitrana. Araka ny nambaran’ny tale mpanantanteraka mikasika ireo raharaha maika eo anivon’ny OMS, ny Dr Michael J. Ryan, dia ny 20%-n’ireo tratry ny Coronavirus ankehitriny ihany no tena atahorana ary 2%-n’ireo tratry ny aretina no tsy tana ny ainy. Ny Sras kosa anefa raha nandalo tao Sina ny taona 2002 – 2003 dia nahatratra hatramin’ny 8098 ny isan’ireo olona voany tamina firenena maherin’ny 30 isa ary 774 no isan’ireo olona matiny. Mampametra-panontaniana hatrany moa tato anatin’ny 10 taona teo izao ny tena anton’ilay fanelezana be amin’ny haino aman-jery ny fisiana valan’aretina lazaina fa mandoza be hatrany. Ny efa nahiana hatramin’izay dia ny fisian’ireo mpanararaotra hamadika izany ho bizina hamoronana sy hivarotana vaksiny na fanafody eto amintsika indray, hoy ireo tsikera mandeha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.