Any Ivelany

Vahoaka leo krizy any Sri Lanka Anjomara ho an’ny mpitondra tsy mahomby


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Nanani-dapa tao Colombo misy ny lapam-panjakana iasan’ny filoha ny vahoaka an’aliny tao Sri Lanka ny sabotsy 09 jolay 2022 teo. Voatery nitsoaka ny Filoha Gotabaya Rajapaksa ka ny Praiminisitra no voatery niantso fifandaminana.

Nanambara fa hanao fametraham-pialana ny 13 jolay ho avy izao kosa ny Filoha, izay naman’ny niongana. Ianjadian’ny krizy lalina efa am-bolana maro ity firenena ity, ka isan’izany ireo filàna andavanandro, toy ny angovo, herinaratra, fanafody, sakafo. Mizaka fidagan’ny vidim-piainana mihoampampana sy fahatapahan-jirp mahery vaika ny vahoaka manodidina ny 22 tapitrisa. Sambany teo amin’ny tantara tsy nahaloa ny karazana latsakemboka ahafahana misitraka tohana avy amin’ny tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ity firenena ity, ary miantso vonjy. Mahatratra 51 miliara dolara ny trosan’ity firenena ity. Niteraka krizy ara-tsosialy sy ara-politika ny krizy ara-toekarena mihatra amin’ny firenena. Efa tao anatin’ny volana maro no nisy ireo mpanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny Lapam-panjakana fiasan’ny filoha tao Colombo nitaky ny fialany, ary nanondro azy ho tsy mahay mitantana, saingy nivadika ho fipoahana no niafarany. Lesona sy anjomara ho an’ireo mpitondra Fanjakana maneran-tany iny niseho tany Sri Lanka iny, ary anisan’izany n yeto Madagasikara. Tsy misy tsy miseho eto amintsika ireo toe-javatra nampitroatra vahoaka tany an-toerana. Mety mbola maivana noho ny eto aza, saingy nitroatra ny vahoaka, ary tsy mahomby ny fianteherana amin’ny basy aman-tafondro. Tsy sanatria fiantsoana ny olona hihetsika hanongam-panjakana raha miresaka an’itony toe-javatra itony, fa mila hakana lesona ihany hoe: azo atao ny manaitra fa efa tsy zaka intsony izao, ary ny Minisitry ny serasera ankehitriny no nilaza tamin’ny fotoan’androny teo amin’ny fanoherana fa afaka midina an-dalambe ny vahoaka rehefa misy zavatra tsy zakany. Tsaroana tsara ny raharaha 2009, fa isan’ny nataon-dRajoelina fitaovana nanonganam-panjakana ny resaka vary sy menaka izay 800 hatramin’ny 1000Ar nampanantenaina fa hatao 500Ar, ny menaka 3000 hatramin’ny 3500Ar nampanantenaina hampidinina 2000Ar. Ohatrinona izany amin’izy mitondra izao? Voizina ankehitriny ny hoe: tsy zakan’ny vahoaka raha mbola hisy korontana sy krizy. Efa ao anaty krizy hatrany anefa isika. Ekena fa mafy ny krizy eran-tany sy ny fikaroham-bahaoalana, tsy adala ny olona raha Fanjakana tena miady ho an’ny tombotsoam-bahoaka, saingy tsy izay no miseho. Efa izao no mahazo ny firenena kanefa mbola fanjakana feno halatra, kolikoly, afera maloto, tsy fahaiza-mitantana, tsy mahay mijery ny laharam-pahamehana, mpampanatena poakaty,… Hiandry vahoaka hitroatra tahaka ny tany Sri Lanka ve vao ho tonga saina sy hino fa efa betsaka ny tofoka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT