Any Ivelany

VAHOAKA FRANTSAY 59% MANIRY NY TSY HIROTSAHAN’I MACRON


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Ny 59% amin’ny Frantsay nohadihadiana no maneho fa tsy tokony hirotsaka ho kandida intsony I Emmanuel Macron amin’ny 2022, araka ny tsapan-kevitra na Sondage “ViaVoice” nataon’ny “Libération”.

 Olona 6/10 no maniry ny tsy tokony hirotsahany intsony, 32% monja no mbola hirotsahany. Ny 55% tamin’ireo olona nanaovana fanadihadiana no naneho, fa tsy mendrika ny ho lany ho filoha intsony I Emmanuel Macron, raha toa ka ny 56% kosa ireo naneho fa tsy manana ny fahaiza-manao hamoahana an’I France amin’izao krizy misy ankehitriny izao ity filoha Frantsay ity. Ny 40% tamin’ny nohadihadiana kosa no naneho fa miabo ny vokatra azon’I Macron tamin’ny toekarena, 39% kosa izany ho an’ny fahasalamana, 37% kosa no afa-po sy naneho fa miabo ny fiarovana ara-tsosialy. Ny fanadihadiana hafa tany aloha kosa moa dia nilaza fa mbola I Macron sy Marine Le Pen no ho tafiakatra fihodinana faharoa, ary ho lany ny Filoha am-perinasa. Asa inona no tena hiseho?
GOVERNEMANTA AFGHAN
MUHAMMAD HASSAN AKHUND NO HITARIKA AZY
Navoakan’ny mpitondra tenin’ny Talibans Zabihullah Muhajid omaly anaran’ny Praiminisitra vaovao any Afghanistan, ka I Muhammad Hassan Akhund izay isan’ny namorona ny Talibans no hitarika izany. Laharana faharoa kosa I Abdul Ghani Baradar, isan’ny niara-namorona io vondrona io sady isan’ireo nandray anjara tamin’ny fifampidinihana tany Doha Renivohitr’I Qatar. nitarika tamin’ny fisitahan’ny Amerikanina tany Afghanistan. Voatendry ho minisitry ny raharaham-bahiny ihany koa I Amir Khan Muttaqi izay “negociateur” tany Doha. Tetsy ankilany, olona 2 no namoy ny ainy, ary 8 no naratra omaly tany Hérat, tanàn-dehibe any amin’ny tapany andrefan’I Afghanistan, vokatry ny tifitra tamin’ny fihetsiketsehana tsy fankasitrahana ny Fanjakana Taliban. Toerana maro no nisy fihetsiketsehana.

PSG≠CLERMONT
BANGA BE DIA BE NY MPILALAO PARIZIANINA
Misedra fahasahiranana amin’ny ho fandaharana ireo mpilalao 11 voalohany hijoro amin’ny sabotsy izao manoloana ny lalao handraisana an’I Clermont ny mpanazatra ny PSG Mauricio Pochettino. Tsy misy eo ireo mpilalao avy any amin’ny Faritra Amerika Atsimo noho izy ireo voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena, toa an-dry Messi, Neymar, Di Maria,… I Marquinhos ihany no navotsotry ny Breziliana afa hitazona ny toerany ao amin’ny PSG. Mbola misy mpilalao tsy tena tomombana sy manahirana anefa ny hampilalao azy, toa an’I Mbappé izay avy naratra ka nandao ny ekipam-pirenena Frantsay, toy izany ihany koa I Marco Veratti izay vao avy nandao ny ekipa Italianina, I Sergio Ramos izay mbola manalasala.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT