Any Ivelany

Tsy maintsy ho lany ny entona sy solika Mitsinjo lavitra ny toekareny sahady i Qatar


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Efa miomana fatratra sahady i Qatar amin’izao fotoana izao ary efa manao kajy be ny amin’ny ho mety fahalanian’ny entona sy solitany rahatrizay;

 

 

mety afaka 30 taona eo ho eo. Ireo no fototry ny toekareny saingy manao fandraharahana be any ivelany izy amin’izao fotoana izao ary sehatra maro no hidirany. Amin’izao fotoana izao dia novidian’ny mpandraharaha avy any Qatar avokoa ny ankamaroan’ny Hotely lehibe kintana 5 tahaka ny “Georges V” sy ny klioban’ny PSG any Frantsa hampiroboroboana ny sehatra fizahan-tany. Ankoatr’izay dia  nividy tany fambolena sy fiompiana maro any Australie ihany koa izy ireo ary milofo amin’ny fanaovana fandraharahana ny amin’izany. Any Qatar rahateo moa maro tany efitra ka tsy mamokatra sakafo ary ny 80% n’ny sakafo dia afarana any ivelany avokoa. Rehefa novidian’izy ireo lafo ireo tany ireo dia alefa mivantana any aminy ny vokatra sy ny biby fihinana fiompy ao. Ankoatr’izay dia mampiasa vola be ihany koa i Qatar amin’ny sehatra fampianarana ary manana ny Oniversite voasokajy anatin’ireo tsara indrindra amin’izao fotoana izao. Tonga mampianatra any mihitsy ireo mpampianatra mahay avy amin’ny Oniversite Harvard Amerika, Oxford Anglisy sy ny any Frantsa koa. Efa mahazo mianatra ary tena amporisihina rahateo mihitsy moa ny vehivavy izay nananganan’ny vadin’ny printsy fikambanana Qatar Foundation. Mahakasika ny fanomanana ny fifaninana baolina kitra maneran-tany izay hotanterahina any an-toerana amin’ny 2022 dia efa maro be no orinasa natsangana mifototra amin’ny fanatontosana izany. Hatramin’izao dia mandray mpiasa sy manam-pahaizana avy any ivelany marobe izy ireo ary ny maro an’isa amin’ireny dia avy any India sy Philippine. Firenena manankarena i Qatar ary efa miditra amin’ny fitsinjovana ny ho avy rahatrizay ary tena tsara alain-tahaka ny fahaizany nampiasa sy nitrandraka ary nivarotra ny harena an-kibon’ny taniny izay nampiainga  haingana ny toekareny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT