Any Ivelany

TSY HITA POPOKA MATY SA VELONA I JACK MA ?


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Tsy mbola hita popoka hatramin’izao ilay mpanefoefo Sinoa laharana faharoa dia i Jack Ma,

 

izay ny 24 oktobra no nahitana azy farany. Tamin’io fotoana io no nanaovan’ity mpanefoefo namorona ny Alibaba izay tena matanjaka ara-barotra ity valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tao Shangai, nanakianany ny lamina ara-pitantanam-bola sy ara-bola ataon’ny Fanjakana Sinoa, ka nanaovany antso avo ny hanamboarana azy. Mametra-panontaniana ny fampahalalam-baovao maneran-tany hoe: misy ifandraisany ve ireo? Tsy hita ihany koa amin’ny tambajotra i Jack Ma, ary ny 10 oktobra no nanoratra farany tao anatin’ny tambajotra Twitter. Tsy nanao ny fandaharana Africa’s Business Heroes, hitondrany hafatra ho an’ny mpandraharaha Afrikanina. Isan’ireo nanampy an’i Madagasikara tamin’ny fiatrehana ny covid-19 izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT