Tsy hisy sarin’ny Filoha ny Biraom-panjakana

« Tsy fanandratana tsangan’olona


  • Zoma 24 Oktobra 2025

fa asa sy fanompoana vahoaka »

Ao anatin’ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena, nanambara ofisialy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, fa tsy hisy ny sary ofisialiny na « effigie » hapetraka eny amin’ireo biraom-panjakana manerana ny Nosy. Tanjon’ity fanapahan-kevitra ity ny hialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana ; hampiharana ny politikan’ny fitsitsiana amin’ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny tokony ho izy. Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana, dia ny Fanjakana dia natao hanompo sy hiasa ho an’ny vahoaka, fa tsy ho fanehoana endrik’olona iray. “Ny tanora no andry sy ain-dehibe iankinan’ny firenena, ka tokony ho hita taratra amin’ny asa sy ny fanavaozana rehetra izany,” hoy izy. Sary maneho izany no nampahafantariny omaly. Mametraka fomba fijery vaovao makany amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana sy fanaovana politika ny Filoham-panjakana, ka isan’ny teboka lehibe ny fialana amin’ny fanompoana sy fanindrahindrana tsangan’olona « culte de personnalité » sy fampalazana tsangan’olona na « populisme ». Tsy any no zava-dehibe fa ny asa sy fanompoana vahoaka, mba hipaka any amin’ny rehetra ny fampandrosoana. Efa nanipika sy nanome toky rahateo ny Filoham-panjakana nandritra ny fianianany ny 17 oktobra 2025 fa mangetaheta fiovana lalina eo amin’ny fomba fitantanana ny firenena ny Malagasy, ka manosika antsika hanoratra boky vaovao eo amin’ny fitantanana. « Hiala sy hanapaka tanteraka ny fomba fanao nisy hatramin’izay, himasoana ny fanarenana manontolo ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka », hoy ny fampanantenany tamin’izany. Nanome toky mba hitandroana ny fahadiovan’ny fitantanana ny volam-panjakana, fa hanao ny politikam-pitsisiana hoentina mifehy ireo fandaniana mihoampampana tsy mifandraika amin’ireo filàna izay voasokajy ho laharam-pahamehana ; handray ireo fepetra rehetra hanenjehana ireo fanetriben’ny firenena,… Naneho fa hiarina ny vahoaka Malagasy, hiala tanteraka ao anaty zioga mangitsokitsoky ny fahantrana. Henjana ny miandry ny Fanjakana, saingy manantena sy miandrandra vokatra ny Malagasy.


Samy noraisin'ny Filohampanjakana, Kolonely Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra, Herintsalama Rajaonarivelo ny Masoivohon'ny Frantsa Arnaud Guillois omaly. Naneho firesaka ara-diplaomatika mikasika fahavonona hiaraha-miasa amin'i Madagasikara araka ny filàn’ny Firenena i Lafantsa : rano sy ny herinaratra, ny fanabeazana, ny fampianarana ambony sy ny fanofanana, ary ny ady amin’ny kolikoly,... Nomarihin'ny Masoivoho Frantsay fa zava-dehibe ny fanaovana fifidianana anaty fe-potoana voahevitra…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT